Ny Olombelona

" Ny olombelona amalona an-drano ka be siasia "
" Ny olombelona toy ny zozoro am-parihy ka mifanolana ihany "
" Ny olombelona toy ny landim-boatavo ka rahafotorana iray ihany "
" Aza manao rano dikain'ny zinga "
" Ny Olombelona toy ny fandrin-drano ka tsy misy avo sy iva "
" Ny Olombelona toy ny omby: ny indray mandry tsy indray mifoha "
" Ny lehibe no manaiky ny henatra; ny kely no manaiky ny tahotra "
" Ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona "
" Raha monina anosy lavitra olon-kiresahana "
" Raha kerena toa olon-kendry tantely fiandry andriana; kanjo nony dinidinihana fanambonim-bary fiandry alika "
" Ny hevitry ny maro mahataka-davitra "
" Raha olona iray no tsy tia: hitoto koba aho hatavy. Fa raha ny besinimaro no tsy tia: hisotro tsingala aho ho faty "
" Toko vato: tapaka. Toko hazo: lo. Fa ny tokon'olombelona tsy mba mety tapaka sy lo "
" Ny Olombelona tsy ary mitovy fa vorom-bazaha misasa ka samy manao izay saim-patany "
" Aza tsy tia olona fa ny olona no harena "
" Roa lahy mianala: izaho tokiny, izy tokiko "
" Ny olon-drery tsy mba vahoaka "
" Zanahary tsy omen-tsiny, Andriamanitra tsy omem-pondro; fa ny Olombelona no be siasia "
" Ny olona no miady ka ny marina no aholaka "
" Ny olo-marina toy ny ombalahy am-pandrojinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay "
" Aza manao toy ny tandindona; manaraka ihany fa tsy azo ho namana "
" Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny Olombelona tsy mba fola-mandefitra "


Ny fitsimbinana ny aina

" Lahy tokana ny aina "
" Ny aina tsy hananam-piry "
" Voalavo mifanena an-ketona ka samy miaro ny ainy ihany "
" Izay manoro lala-mahitsy: mamindra aina "
" Tehin-kibo am-piakarana: tsy haingo fa tohana aina "
" Kibobolahy voafandrika ka ny mandrimandry no ahazoana aina "
" Voalavo sasatra ny miaina ka ny saka matory no alaim-bolom-bava "
" Voalavo sasatra ny miaina ka mandalo eo ambany saokan'ny saka "
" Ny aina Ramangatahiana, ny vola Ramangakatsahina "
" Bevohoka mifampitolona ka manafohy ny andro hiainany "
" Volon-katsaka misedra tadio ka mifanohitra ny tsy eran'ny aina "
" Voalavo latsaka anaty vilany jobo: ny herim-po betsaka fa ny hozam-body no tsy maharaka "
" Ranomaso tsy mahatana aina "
" Mpifankatia tsy miresaka very ny androtokom-pihavanana; mpitari-bato tsy mihoraka very ny androtokon'aina "
" Ny aina tsy afaky ny tompony "
" Ny aina aloka aman-javona: mihelina dia lasa "
" Izay iray vatsy, iray aina "
" Ramalina aza mifehy hazo tokana "
" Ny mahery tsy miady tsy ela velona "


Ny Zanaka

" Ny zanaka no harena "
" Ny hanambadian-kiterahana, ary ny hiterahana ho dimby "
" Raha zanaka tsy tia Ray aman-dReny, miteraha mba hahita "
" Ny Ray aman-dReny tsy mahafoy zanaka, fa ny zanaka ny mahafoy Ray aman-dReny "
" Ny zaza fito tsy mahafehy trano, fa ny fanahy fito mahafehy trano "
" Ny zaza tiana tsy hitsitsiana rotsan-kazo "
" Iri-maha ory toy ny zanaka "
" Tarana-boanjo, foto-boanemba "
" Naniry zaza ka tera-dahy, nitady toko ka sendra vato, nikororoaka vary ka sendra rivotra "
" Izay adala toa an-dRainy "
" Fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby Ray tsy satry "
" Tsy misy mamy toy ny zanaka, fa raha manaiki-nono ahifika ihany "
" Ny zanakao no adala ka ny an'ny hafa no omena tsiny "
" Ny zanakao no soa tia ratsy, ka ny zanak'olona no tendren-kanana ody "
" Ny mitera-dahy misy mpilanja, ny mitera-bavy misy mpitomany "
" Maromaroa ny hateraka fa tsy hisy hilaozan'izay tsy ho tsara "
" Tera-dahy ka hilevina andringiringim-bato; tera-bavy ka hilevina antsola-bato "
" Tiako ny zanako ka omeko KOBA AINA 😅😂 "



Ny vintana, Ny anjara, Ny lahatra, Ny tendry

NY VINTANA:
" Ratsy tarehy manam-bintana ka ny soa no manantona ho vady "
" Raha vintana ny ho faty, tsy azo tazomina ny aina; fa raha vitan-ko velona, tsy azo vonoina ny aina "
" Tolo-kena maty jiro ka vintana no andrasana "
" Ratsy vintana toy ny saka; bevohoka vao atao hoe mamosavy "
" Ratsy vintana toy ny akoho kely lasan'ny papango; tafiakatra ambony vao tra-pahoriana "
" Aza miady vintana amin'ny akoho; fa na ho eny an-tsena aza izy lolohavina "
" Faniriana ny hitaingin-tsoavaly; fa ny vintana mpiandry kisoa "
" Ny faniriana tsy takatry ny vintana "
" Ny te-hanana tsy mahaleo ny ambinina "
" Avoavoin'ny vavany fa salakai'ny vintany "
" Andriamanitra ny nanome fa i Balita no tsy nambinina "
" Iraitampoha samihafa, samy manana ny vintany "
" Ny vintana toy ny tanalaha ambony hazo, ka miova loko isaky ny zaza misioka "

NY ANJARA:
" Ny fitia toy ny zezika ka manan-jara izay izezehana "
" Rafotsibe nahandro hoza-kena ka ny fofony ihany no anjarany "
" Bingo manao matso ka misalovana ny anjara ho an'ny sasany "
" Tovolahy manambady antitra: tolomina toa Renibe, avela amin'izao anjaran'ny tena "
" Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa "

NY LAHATRA:
" Tsy misy biby te ho kary; fa mahery ny laha-Janahary "
" Aza latsaina ny momba, fa tsy ny olombelona no Tompo mpandahatra "
" Aza mimenomenona amin'ny anjara; fa tsy fantatra ny lahatry ny avo "
" Hany hery dia ekeo ny lahatra; fa hadalana ny maika hananana "
" Aza manantena hery; fa ny lahatra tsy azo rombahina "
" Fikasana ny an'olombelona; fa ny lahatra an-Janahary "

NY TENDRY:
" I Bango aza adala ka izay manendry azy no tendriny "
" Ady voatavo no nifanaovana; ka tendry mosavy no hita "
" Ny zanakao no soa tia ratsy; ka ny zanak'olona no tendren-kanana ody "
" Tsy mety raha manendry tena toy ny amboa ho an-tsena; na mandeha tsy vohizina toa lakan-jejo "
" Boka mitendry valiha; tsy sitra-po fa tendry "
" Vodisobika aza manan-tandrify "



Ny fanahy

" Mitoto vary andro diavolana ka maka Fanahy ny akoho "
" Ny hery tsy mahaleo ny Fanahy "
" Aleo ratsy tarehy fa tsara Fanahy; toy izay ratsy Fanahy fa tsara tarehy "
" Zaza fito tsy mahafehy trano fa ny Fanahy fito mahafehy trano "
" Ny Fanahy no olona: ny Fanahy no maha olona "
" Boka mandray tanana, ny Fanahy misy fa ny tanan-kandray no tsy misy "
" Ny mpanjaka lozabe mahatahotra; ny malemy Fanahy mahamenatra "
" Ady amin'adala ka ny manam-panahy no mandefitra "
" Very Fanahy mbola velona tahaka ny valala voatango "
" Fotsifotsy Fanahy toa takotra ka ny tain-kary avy no atao trano "
" Aleo kely Fanahy sitrak'olona; toy izay be Fanahy maty foana "
" Ny morodorodo fanaon'ny matanjaka; ny milantolanto famindra fanaon'ny manam-panahy "
" Raha mitsapa rano: hazo lava raisina. Fa raha mitady fahendrena dia Fanahy ny jerena "
" Ny firaka no tsy mba vola dia ny lemilemim-panahiny "
" Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby. Atsipy ny teny ao am-pon'ny mahalala "
" Aza mikoban-drano marivo fa mahavery Fanahy ny tsikovoka "
" Fanahin-kisoa: tsy manan-tompo ka be tondro molotra "
" Fanahin-dalitra ka ny malotoloto no mahafinaritra azy "
" Mangahazo mangidy malemy ka hohanina amin'ny halemem-panahiny "
" Teny atsipin'ny manam-panahy ka raisin'ny mahalala "